Aiza ihany?
Raha fintinina ireo hevitra napetrak'ireo izay tonga namangy teto dia samy mametraka an'io fanontaniana io avokoa. Tsy hoe ny hosoratana na sanatria, "ela fikenona sahala amin'ny mpihira gasy vaky aponga". Aleo miala nenina amin'ny fanomanana mba ho afaka hanolotra zavatra mari-pototra sy mety hahaliana.
Tsy sakanana fa afaka dia raisina an-tana-droa sy am-pifaliana tanteraka ny soso-kevitra avy amin'ireo izay maniry ny hanao an'izany. Marihana fa dia ny fanandratana ny maha-malagasy antsika no tiana hovelabelarina sy hovoizina eto.
Aleo tsy halavaina ny resaka satria "ny toky fitaka fa ny atao no hita".