NY SOA SA NY TSARA?

Blaogy amin'ny teny malagasy ka ezahana hanaja ny maha-Malagasy. I Alaina no miezaka handrindra sy hanome endrika azy ity kanefa aza alaina ho anao samirery izay arosony eto satria tiany hifampizarana amin'ny besinimaro: ho anao sy ho an'ny hafa manodidina anao.

NY RAZANA

Manana ny heviny manokana ho antsika ny teny hoe Razana. Ny maty rehetra dia antsoina hoe razana avokoa, ka tsy io hevitra ankapobeny io no tiana hitondrana ny resaka fa ilay hevitra lalina fonosiny mihitsy.

Ireo azo lazaina fa Ray aman-dreny efa nialoha lalana ka milevina ao am-pasan-drazana ihany ve no antsoin'ny Malagasy hoe Razana sa misy fepetra manokana tsy maintsy fenoin'izy ireny mba hahafahana miantso azy hoe Razana ka hahafahana mangataka fitahiana sy fiarovana aminy?


FAMADIHANA

Isan'ny fomba hiavahan'ny Malagasy ny fanaovana Famadihana amin'ny faritra maro.

Misy karazany maro ireo fiomanana mialoha tokony atao amin'izany. Misy afaka manampy ve amin'ny filazana ankapobeny mikasika an'ireo fiomanana tokony atao ireo? Na koa efa misy rohy hahafahana miady hevitra momba an'iove?

Dia hisaorana mialoha amin'ny fifanampiana. 


FANABEAZANA

Zava-dehibe ny asa fanabeazana ary samy manana ny fomba entiny manatanteraka an'izany na ny tsirairay, na ny vondrona iray (foko, taranaka, fianakaviana, sekoly, fiangonana, sns...).

Inona nefa no hiombonan'izy ireo? Fomba entina mampita ny fikarakarana, fiarovana ny aina ny fanabeazana ary ny tanjona dia ny hamolavola olona iray hanana ny maha-izy azy eo amin'ny fiainany.

Sehatra maro amin'ny maha-olona araka izany no mila fanabeazana: ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana, ara-piaraha-monina, raha tsy hiteny afa-tsy ireo sehatra lehibe isika. Satria ny lafim-piainana rehetra mihitsy no ilàna fanabeazana.


Aiza ihany?

Raha fintinina ireo hevitra napetrak'ireo izay tonga namangy teto dia samy mametraka an'io fanontaniana io avokoa. Tsy hoe ny hosoratana na sanatria, "ela fikenona sahala amin'ny mpihira gasy vaky aponga". Aleo miala nenina amin'ny fanomanana mba ho afaka hanolotra zavatra mari-pototra sy mety hahaliana. 

Tsy sakanana fa afaka dia  raisina an-tana-droa sy am-pifaliana tanteraka ny soso-kevitra avy amin'ireo izay maniry ny hanao an'izany. Marihana fa dia ny fanandratana ny maha-malagasy antsika no tiana hovelabelarina sy hovoizina eto.

Aleo tsy halavaina ny resaka satria "ny toky fitaka fa ny atao no hita".  


Tranon-dandy ka ao anatiny vao manatevina

Tsy misy zavatra vita tanteraka indray mandeha izany, ka tsy maika ny hanoratra lahatsoratra satria ny diavolan-ko lava ary ny lalao mbola ho ela.


Tonga soa!

"Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity." Dia misaotra ny tompon'andraikitra. Tsy nanomana ihany fa miarahaba sy mandray ihany koa. Izay ilay soatoavina Malagasy: mahay mandray sy mifandray amiin'ny hafa.
"Misaotra anao mampiasa ny Blaogy." Dia misaotra anao mampandroso dia misaotra anao nitsidika ihany koa.