NY SOA SA NY TSARA?

Blaogy amin'ny teny malagasy ka ezahana hanaja ny maha-Malagasy. I Alaina no miezaka handrindra sy hanome endrika azy ity kanefa aza alaina ho anao samirery izay arosony eto satria tiany hifampizarana amin'ny besinimaro: ho anao sy ho an'ny hafa manodidina anao.

Aiza ihany?

06/12/2008 09:33

Raha fintinina ireo hevitra napetrak'ireo izay tonga namangy teto dia samy mametraka an'io fanontaniana io avokoa. Tsy hoe ny hosoratana na sanatria, "ela fikenona sahala amin'ny mpihira gasy vaky aponga". Aleo miala nenina amin'ny fanomanana mba ho afaka hanolotra zavatra mari-pototra sy mety hahaliana. 

Tsy sakanana fa afaka dia  raisina an-tana-droa sy am-pifaliana tanteraka ny soso-kevitra avy amin'ireo izay maniry ny hanao an'izany. Marihana fa dia ny fanandratana ny maha-malagasy antsika no tiana hovelabelarina sy hovoizina eto.

Aleo tsy halavaina ny resaka satria "ny toky fitaka fa ny atao no hita".  


Valio

Hevitra